Créer un site internet

Tantaran'i Fiakarana (en malgache)

 Le rova 1

Le ROVA, tombeau de Ralaivita (à gauche) et de la reine Razakavalondralambo et de ses descendants (à droite)

* Il y a toujours une petite case sur les tombeaux des souverains et de la Haute Noblesse (Trano Manara)

 

 

Hevitra tera-bary : Fiakarana na Ambohidrazaka fahizay !

Ity tantara fohifohy ity dia norafetina tamin'ny lovantsofina sy ny rakiteny nosoratan'ny Andriana Rakotomanga Evariste, "Maire" Malagasy voalohany teto Ambohidratrimo ary milevina ao Fiakarana. Noho izany dia mety misy diso kely ihany.

Mihinam-bary aza moa misy latsaka, ka aoka tsy ho tsiny.

Aiza moa no misy an'i Fiakarana ? Tanàna kely iray ery avaratr'Ambohidratrimo, eo amin'ny 21 km eo ho eo avy eo an-drenivohitra, mihazo ny làlana "aéroport international d'Ivato", somary miankandrefana avaratra tokony ho 6 km avy eo amin'ny aéroportn’ Ivato.

Ambohidrazaka no anarany fahizay, satria ny nanorina azy dia Razakanavalondralambo. Tsara ihany ny ahalalana io mpanorina io. Ranavalontsimitoviaminandriandehibe, tao Anosimanjaka, dia niteraka efa-bavy: Razakanavalondralambo (Fiakarana), Ravalomanandrianjaka II (Ambohidratrimo), Ramanitrandriantsimitoviaminandriandehibe (Namehana), Rapapangosasakinivorona (Ambohitsoa).

Ny tananàn'Ambohidrazaka dia niorina teo amin'ny taona 1675 teo ho eo, fotoana nanjakan'Andriamasinavalona tao Antananarivo, mpanjaka faha-18.

Tato aoriana dia naidina teo ambanimbany ny tanàn'Ambohidrazaka, eo ambody fiakaran'ny vohitra indrindra. Inona no antony ? Razakanavalondralambo dia vehivavy. Ny vehivavy no nanjaka teny, ary hatrany hatrany dia ny zana-behivavy ihany no nandova fanjakana. Ny vehivavy aza hono no maka vady. Ary izy ireo no mitso-drano mandrak'ankehitriny raha misy ilana izany. Nanambady an-dRazakanavalondralambo teny hono izany Andriamanjakatokana izany. Tokantrano moa tsy ialan-dromoromo.

Indray andro, velona ny beroberoka isarahana. Lasa andriamatoa nifindra teny Anosivato. Io moa dia vohitra iray ery atsimon'Anosimanjaka ery, ary mifampitazana tsara amin'Ambohidrazaka. Ela ny ela, indray andro nanembona Razakanavalondralambo. Velona ny baiko, "ampidino ny tanàna !", hoy izy dia nafindra teo ambody fiakarana.

Araka ny toro-hevitra nomen'ny mpanandro dia nasain-dRazakanavalondralambo nanao faribolana ny mponina. Izany hoe : nanao boribory mifandray tànana ary ny faritra vitan'izay no nohadiana, nanaovana hady mamaritra ny tanàna ary ny tanàna dia nitondra ny anarana vaovao hoe : FIAKARANA

Tamin'ny andro fahagola, voalaza amin'ny boky iray ao amin'ny "Académie malgache", dia zato tafo Fiakarana.

Ny zavatra iray nampiavaka an'i Fiakarana dia izao : tonga teny Fiakarana Andrianampoinimerina nanao famotorana momba ny saika hamonoan'olona an'Andriamaharetsialaintany zandriny (Ndlr : nonina teny Amboatany), noho ny fialonana.

Rehefa voamarina fa fialonana fotsiny no antony dia nandidy izy fa omeny tombontsoa mihoatra an'Imerina i Fiakarana ary nohamafisiny ny tenin'Andriamasinavalona fa ny tongomihoko sy ny hetra rehetra dia an'ny andriana rehetra eto Fiakarana fa tsy azon'ny Mpanjaka kasihina.

Ary asiana trano fitsarana eo, ka ny fitsarana izay vitan'ny andriana ao dia tsy azo akana fitsarana ambony intsony. Ary na inona na inona ady heloka dia vita eo Fiakarana, afa-tsy ny manameloka ho faty. Ka dia notanterahina teo Fiakarana ny fitsarana sy ny tranomaizina ary tsy rava raha tsy tafiditra teto ny Frantsay.

Lahatsoratra nataon’ i tompokolahy

Vincent de Paul Andrianasolo RAKOTOARIVONY(Legy) (* 1931-2003)

Chevalier de l’Ordre National Malagasy ~ terak ‘i Fiakarana

  • 15 votes. Moyenne 2.7 sur 5.
×